Jeremiah 31:40 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny lohasaha fanariana faty sy lavenona rehetra ary ny saha rehetra hatramin’ny Lohasahan-driakan’i Kidrona ka hatreo amin’ny zoron’ny vavahadin-tsoavaly eo atsinanana dia ho masina ho an’NY TOMPO; tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny lohasaham-paty aman-davenona rehetra, mbamin’ny saha rehetra hatramin’ny lohasahan-driaka Sedrôna, ka hatramin’ny zorom-bavahadin-tSoavaly mitodika atsinanana dia ho fitoerana masina ho an’i Iaveh, ary tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia mihazo ny lohasaham-paty aman-davenona manontolo sy ny faritra midadasika rehetra hatrany amin’ny ranon-driakan’i Kidrôna, ary tafapaka eo amin’ny zoron’ny vavahadin’ny soavaly any atsinanana. Ireo tany rehetra ireo dia hatokana ho Ahy TOMPO ka tsy hisy hanesorana na horavana intsony na oviana na oviana.»
Malagasy Bible 1865
Ary ny lohasaham-paty sy lavenona rehetra sy ny saha rehetra hatramin'ny Lohasahan-driaka Kidrona ka hatramin'ny zoron'ny vavahadin-tsoavaly atsinanana dia ho masina ho an'i Jehovah; Tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny lohasaha fanariana faty sy lavenona rehetra ary ny saha rehetra hatramin’ny Lohasahan-driakan’i Kidrona ka hatreo amin’ny zoron’ny vavahadin-tsoavaly eo atsinanana dia ho masina ho an’NY TOMPO; tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay.
malagasy