Jeremiah 31:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izao no lazain’NY TOMPO: Mihobia amin’ny fifaliana noho ny amin’i Jakoba, ary mifalia noho ny amin’ny lohan’ny firenena, torionareo, deraonareo, ka lazao hoe: TOMPO ô, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izao no lazain’i Iaveh: Mihobia an-kafaliana, ny amin’i Jakôba, manaova firavoravoana, noho ny amin’ilay lohan’ny firenena; ataovy re ny feonareo, mihirà hira fiderana, ka lazao hoe: «Ry Iaveh, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin’i Israely!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manaova horakora-pifaliana ho an’i Israely; mihobia an’Ilay filohan’ireo firenena, ataovy antso avo ny dera ka lazao hoe: «Ny TOMPO mamonjy ny vahoakany, dia ny sisa velona amin’i Israely!» Satria izao no lazain’ny TOMPO:
Malagasy Bible 1865
Fa izao no lazain'i Jehovah: Mihobia amin'ny fifaliana noho ny amin'i Jakoba, ary mifalia noho ny amin'ny lohan'ny firenena, torionareo, deraonareo, ka ataovy hoe: Jehovah ô, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izao no lazain’NY TOMPO: Mihobia amin’ny fifaliana noho ny amin’i Jakoba, ary mifalia noho ny amin’ny lohan’ny firenena, torionareo, deraonareo, ka lazao hoe: TOMPO ô, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin’ny Israely.
malagasy