Jeremiah 31:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, hitondra azy avy any amin’ny tany avaratra Aho ary hanangona azy avy any amin’ny faran’ny tany, dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba, na ny mandringa, na izay bevohoka, na izay mihetsi-jaza; vahoaka marobe no hiverina atỳ.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro Aho mamerina azy avy any amin’ny tany avaratra; manangana azy avy any amin’ny faran’ny tany. Ho eo amin’izy ireo ny jamba sy ny mandringa, ny manana anaka sy ny efa mihetsi-jaza; hanao dia be izy ireo no hiverina atỳ.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Haveriko avy any an-tany avaratra izy ary hangoniko avy any am-bazan-tany. Ao avokoa mbamin’ny jamba sy ny mandringa, ary ny bevohòka sy ny tera-bao. Eny, vahoaka be no hiverina.
Malagasy Bible 1865
Indro, hitondra azy avy any amin'ny tany avaratra Aho sy hanangona azy avy any amin'ny faran'ny tany, ka dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba na ny mandringa, na izay manan'anaka na izay mihetsi-jaza; Irai-dia marenina no hiverina atỳ.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, hitondra azy avy any amin’ny tany avaratra Aho ary hanangona azy avy any amin’ny faran’ny tany, dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba, na ny mandringa, na izay bevohoka, na izay mihetsi-jaza; vahoaka marobe no hiverina atỳ.
malagasy