Jeremiah 31:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’ny fitomaniana no hiaviany, amin’ny fifonany no hitondrako azy; ary hoentiko ho eny amoron’ny renirano izy, amin’ny lalana mahitsy izay tsy hahatafintohina azy; fa Rain’Israely Aho ary i Efraima no lahimatoako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hiverina amin-dranomaso izy; ary eo amin’ny fifonany no hitondrako azy miverina; eny amin’ny rano velona, no hitarihako azy, amin’ny lalana marin-tampona tsy hahatafintohina azy; satria efa ray ho an’i Israely Aho, ary lahimatoako i Efraima.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tonga am-pitomaniana izy ka narahiko sady nampiononiko. Any amin’ny lemaka misy rano no hitarihako azy ary lala-mahitsy no hizorany ka tsy ho tafintohina izy. Ho Ray Aho amin’i Israely, ary ho lahimatoako i Efraîma.»
Malagasy Bible 1865
Amin'ny fitomaniana no hihaviany, ary amin'ny fifonany no hitondrako azy; Ary ho entiko ho eny amoron'ny renirano izy, amin'ny lalana mahitsy izay tsy hahatafintohina azy; Fa Rain'Isiraely Aho, ary Efraima no lahimatoako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’ny fitomaniana no hiaviany, amin’ny fifonany no hitondrako azy; ary hoentiko ho eny amoron’ny renirano izy, amin’ny lalana mahitsy izay tsy hahatafintohina azy; fa Rain’Israely Aho ary i Efraima no lahimatoako.
malagasy