Jeremiah 32:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia noraisiko ny taratasy nisy ny fanekena ny amin’ny vidin-tany, dia ilay voaisy tombo-kase araka ny lalàna sy ny fanao mbamin’ny taratasy mivelatra koa;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manaraka izany, nalaiko ny fanekem-pividianana, dia ilay anankiray efa voaisy tombokase, ilay misy ny famarafarana sy ny fepetra, sy ilay anankiray mivelatra koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia nalaiko ny dikan’ny taratasy fifampivarotana vita tombokase araka izay notakin’ny lalàna sy ilay dika iray misokatra,
Malagasy Bible 1865
Ka dia noraisiko ny taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, dia ilay voaisy tombo-kase araka ny lalàna sy ny fanao, mbamin'ny taratasy mivelatra koa;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia noraisiko ny taratasy nisy ny fanekena ny amin’ny vidin-tany, dia ilay voaisy tombo-kase araka ny lalàna sy ny fanao mbamin’ny taratasy mivelatra koa;
malagasy
Ka dia noraisiko ny taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, dia ilay voaisy tombo-kase araka ny lalàna sy ny fanao, mbamin'ny taratasy mivelatra koa;