Jeremiah 32:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary natolotro an’i Baroka, zanak’i Neria, zanak’i Mahaseia, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin’ny vidin-tany, teo imason’i Hanamela, zana-drahalahin’Ikaky, sy teo anatrehan’ny vavolombelona izay nanao sonia tamin’ny taratasy nisy ny fanekena ny amin’ny vidin-tany, dia teo anatrehan’ny Jiosy rehetra izay nipetraka teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia natolotro an’i Baròka, zanak’i Nerià, zanak’i Maasiasa, ny fanekem-pividianana, teo anatrehan’i Hananeela, zana-drahalahin-draiko, sy teo anatrehan’ny vavolombelona nanao sonia ny fanekem-pihavanana sy teo anatrehan’ny Jody rehetra, nipetraka teo an-kianjan’ny fiambenana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka natolotro an’i Baròka, zanakalahin’i Nerià sady zafikelin’i Mahaseià, teo imason’i Hanamèla zana-drahalahin-draiko sy teo imason’ireo vavolombelona izay niara-nanao sonia ny taratasy fivarotana ary teo imason’ireo Jiosy rehetra nipetraka teo an-kianja fiambenana.
Malagasy Bible 1865
dia natolotro an'i Baroka, zanak'i Neria, zanak'i Mahaseia, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, teo imason'i Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, sy teo anatrehan'ny vavolombelona izay nanao sonia tamin'ny taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, dia teo anatrehan'ny Jiosy rehetra izay nipetraka teo an-kianjan'ny trano fiambenana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary natolotro an’i Baroka, zanak’i Neria, zanak’i Mahaseia, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin’ny vidin-tany, teo imason’i Hanamela, zana-drahalahin’Ikaky, sy teo anatrehan’ny vavolombelona izay nanao sonia tamin’ny taratasy nisy ny fanekena ny amin’ny vidin-tany, dia teo anatrehan’ny Jiosy* rehetra izay nipetraka teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana.
malagasy