Jeremiah 32:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Ento ireto taratasy ireto, dia ireto taratasy misy ny fanekena ny amin’ny vidin-tany ireto, dia ilay misy tombo-kase, mbamin’ny taratasy mivelatra, ary ataovy ao anaty vilany tany izy mba haharitra ela.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: «Raiso ireto fanekena ireto, dia ity fanekem-pividianana voaisy tombon-kase, sy ity fanekena mivelatra koa, ka ataovy ao anaty siny tany mba haharitra ela.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Raiso ny dikan’ny taratasy fifampivarotana voaisy tombon-kase sy ny dika iray misokatra, ka apetraho ao anaty siny tanimanga mba ho voatahiry maharitra ela.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jenovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ento ireto taratasy ireto, dia ireto taratasy misy ny fanekena amin'ny vidin-tany, dia ilay misy tombo-kase, mbamin'ny taratasy mivelatra, ary ataovy ao anaty vilany tany izy mba haharitra ela.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Ento ireto taratasy ireto, dia ireto taratasy misy ny fanekena ny amin’ny vidin-tany ireto, dia ilay misy tombo-kase, mbamin’ny taratasy mivelatra, ary ataovy ao anaty vilany tany izy mba haharitra ela.
malagasy