Jeremiah 32:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mamindra fo amin’ny arivoarivo Ianao ary mamaly ny heloky ny ray ho ao an-tratran’ny zanany mandimby azy, dia Andriamanitra lehibe sy mahery, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anaranao,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ianao no mamindra fo amin’ny arivony sy mamaly ny heloky ny ray, eo an-kibon’ny zaza mandimby azy, ianao no Andriamanitra lehibe sy mahery, izay manana anarana hoe: Iavehn’ny tafika,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Maneho fitiavana hatramin’ny taranaka faharivo Ianao; fa raha misy nanao fahadisoana kosa ny ray aman-dreny, dia ny zanany no asainao mizaka ny vokatr’izany. Andriamanitra lehibe sy mahery Ianao, ary TOMPOn’izao rehetra izao no anaranao.
Malagasy Bible 1865
Mamindra fo amin'ny arivo arivo Hianao ary mamaly ny heloky ny ray ho ao an-tratran'ny zanany mandimby azy dia Andriamanitra lehibe sy mahery, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mamindra fo amin’ny arivoarivo Ianao ary mamaly ny heloky ny ray ho ao an-tratran’ny zanany mandimby azy, dia Andriamanitra lehibe sy mahery, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anaranao,
malagasy
Mamindra fo amin'ny arivo arivo Hianao ary mamaly ny heloky ny ray ho ao an-tratran'ny zanany mandimby azy dia Andriamanitra lehibe sy mahery, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany,