Jeremiah 32:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ianao no nanisy famantarana sy fahagagana tany amin’ny tany Ejipta ka mandraka androany koa, na ao amin’ny Israely, na ao amin’ny olona hafa koa, dia nanao anarana ho Anao tahaka ny amin’izao anio izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ianao no nanao famantarana amam-pahagagana tany amin’ny tany Ejipta ka mandraka androany, eo amin’i Israely sy eo amin’ny olona, ka nampahalaza ny Anaranao, araka izao hitanay anio izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Naneho ny lazanao Ianao raha nanao famantarana sy zava-mahagaga fony mbola tany Ejipta ny razanay, ary mandraka ankehitriny eo amin’ny Israelita sy eo amin’ny olombelona hafa koa tahaka ny amin’izao anio izao.
Malagasy Bible 1865
dia Ilay nanisy famantarana sy fahagagana tany amin'ny tany Egypta ka mandraka androany koa, na ao amin'ny Isiraely, na ao amin'ny olona hafa koa, ka dia nanao anarana ho Anao tahaka ny amin'izao anio izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ianao no nanisy famantarana sy fahagagana tany amin’ny tany Ejipta ka mandraka androany koa, na ao amin’ny Israely, na ao amin’ny olona hafa koa, dia nanao anarana ho Anao tahaka ny amin’izao anio izao.
malagasy