Jeremiah 32:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tonga teto izy dia nandova izany, nefa tsy nihaino ny feonao izy sady tsy nandeha araka ny lalànanao; tsy nanao na inona na inona tamin’izay rehetra nasainao nataony izy ka nataonao mihatra aminy izao loza rehetra izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia tonga teto izy ireo, ka nandray azy hozakainy; kanefa tsy nihaino ny feonao izy, na nandeha araka ny lalànao; ary izay rehetra nandidianao azy hataony, dia tsy nataony, ka nentinao hanjò azy izao loza rehetra izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tonga teto tokoa izy ary naka ny tany ho fananany; saingy tsy nihaino izay nolazainao izy, ary tsy nanaraka ny lalànao sady tsy nanatanteraka ny zavatra rehetra nasainao nataony; koa izany no nampiharanao izao loza rehetra izao aminy.
Malagasy Bible 1865
Ary tonga teto izy, dia nandova azy, nefa tsy nihaino ny feonao izy sady tsy nandeha araka ny lalànao; ary tsy nanao na inona na inona tamin'izay rehetra nasainao nataony izy, ka dia nataonao mihatra aminy izao loza rehetra izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tonga teto izy dia nandova izany, nefa tsy nihaino ny feonao izy sady tsy nandeha araka ny lalànanao; tsy nanao na inona na inona tamin’izay rehetra nasainao nataony izy ka nataonao mihatra aminy izao loza rehetra izao.
malagasy