Jeremiah 32:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, ny tovon-tany dia miorina akaikin’ny tanàna hanafahana azy, ary ny tanàna dia atolotra eo an-tanan’ny Kaldeana izay mamely azy noho ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana; ary izay nolazainao dia tonga, koa indro, hitan’ny masonao izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro ny tovon-tany hanafahana ny tanàna, efa mahatakatra azy, ary ny tanàna efa hatolotra eo an-tanan’ny Kaldeanina izay mamely azy, amin’ny sabatra, ny mosary sy ny pesta; dia tanteraka izay nolazainao, ka mahita izany Ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indro mandroso hatrany izao ny Babilônianina amin’ny fanaovana fahirano ny tanàna ka hahafaka azy; eny, hatolotra ho eo an-tanan’ny Babilônianina izy, ka hasiany amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana. Hitanao tsara izao fa tanteraka izay nambaranao.
Malagasy Bible 1865
Indro, ny tovon-tany efa miorina akaikin'ny tanàna hanafahana azy, ary ny tanàna dia atolotra eo an-tànan'ny Kaldeana izay mamely azy noho ny sabatra sy ny mosary sy ny areti-mandringana; ary izay nolazainao dia tonga, ka indro, hitan'ny masonao izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, ny tovon-tany dia miorina akaikin’ny tanàna hanafahana azy, ary ny tanàna dia atolotra eo an-tanan’ny Kaldeana izay mamely azy noho ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana; ary izay nolazainao dia tonga, koa indro, hitan’ny masonao izany.
malagasy