Jeremiah 32:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny Kaldeana izay mamely ity tanàna ity, dia hiditra ary handrehitra afo eto ka handoro azy mbamin’ny trano izay efa nandoroana ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an’ny Baala, sady nanidinana fanatitra aidina ho an’ny andriamanitra hafa mba hampahatezitra Ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hiditra amin’ity tanàna ity ny Kaldeanina izay mamely azy; ka handrendrika ity tanàna ity izy, dia handoro azy mbamin’ny trano nanaterana emboka manitra ho an’i Baala teo ambonin’ny tafony, sy nandrarahany fanatitra araraka ho an’andriamani-kafa, mba hampahatezitra Ahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eo am-panafihana azy ny Babilônianina izao ka ho tafiditra ao an-tanàna, dia handrava sy handoro azy amin’ny afo, indrindra ireo trano izay nampahasosotra Ahy satria teo amin’ny tafony marin-tampona no nandoroana zava-manitra mifangaro ho an’i Bahala sy nanolorana fanatitra divay ho an’ireo andriamani-kafa.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Kaldeana, izay efa mamely ity tanàna ity dia hiditra ary handrehitra afo eto ka handoro azy mbamin'ny trano izay efa nandoroana ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an'i Bala, sady nanidinana fanatitra aidina ho an'andriamani-kafa mba hampahatezitra Ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny Kaldeana izay mamely ity tanàna ity, dia hiditra ary handrehitra afo eto ka handoro azy mbamin’ny trano izay efa nandoroana ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an’ny Baala*, sady nanidinana fanatitra aidina ho an’ny andriamanitra hafa mba hampahatezitra Ahy.
malagasy
Ary ny Kaldeana, izay efa mamely ity tanàna ity dia hiditra ary handrehitra afo eto ka handoro azy mbamin'ny trano izay efa nandoroana ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an'i Bala, sady nanidinana fanatitra aidina ho an'andriamani-kafa mba hampahatezitra Ahy.