Jeremiah 32:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izay ratsy teo imasoko ihany no nataon’ny Zanak’Israely sy ny taranak’i Joda hatry ny fony ireo mbola kely; fa efa nampahatezitra Ahy tamin’ny asan’ny tanany ny Zanak’Israely, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria ny zanak’i Israely aman-janak’i Jodà, tsy nanao afa-tsy izay ratsy teo imasoko, hatramin’ny fahatanorany; ary ny zanak’i Israely tsy nanao afa-tsy izay hampahatezitra Ahy tamin’ny asan’ny tanany, - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny Israelita sy ny Jodeanina dia efa nanao izay ratsy teo imasoko hatramin’ny fiandohan’ny tantarany, ary tsy nisy asa nataony afa-tsy ny nampalahelo Ahy; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Malagasy Bible 1865
Fa izay ratsy eo imasoko ihany no nataon'ny Zanak'Isiraely sy ny taranak'i Joda hatry ny fony ireo mbola kely; fa ny Zanak'Isiraely efa nampahatezitra Ahy tamin'ny asan'ny tànany, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izay ratsy teo imasoko ihany no nataon’ny Zanak’Israely sy ny taranak’i Joda hatry ny fony ireo mbola kely; fa efa nampahatezitra Ahy tamin’ny asan’ny tanany ny Zanak’Israely, hoy NY TOMPO.
malagasy
Fa izay ratsy eo imasoko ihany no nataon'ny Zanak'Isiraely sy ny taranak'i Joda hatry ny fony ireo mbola kely; fa ny Zanak'Isiraely efa nampahatezitra Ahy tamin'ny asan'ny tànany, hoy Jehovah.