Jeremiah 32:35 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary nanorina ny toerana fanaovana sorona ho an’i Baala, izay ao amin’ny Lohasahan’ny taranak’i Hinoma, izy mba hampandeha ny zanany lahy sy ny zanany vavy hamakivaky ny afo ho an’i Moloka, izay tsy nandidiako azy, na tao an-tsaiko akory aza, dia nanao izany fahavetavetana izany izy mba hampanota ny Joda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanorina ny fitoerana avon’i Baala tao an-dohasahan’ny taranak’i Hinôma izy, ka mandeha amin’ny afo ny zanany lahy aman-janany vavy ho an’i Môlôka: nefa zavatra tsy nandidiako azy akory izany na zavatra mby tao an-tsaiko velively; nanao izany fahavetavetana izany izy hampanota an’i Jodà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanorina toeram-panasinana an’i Bahala tao amin’ny lohasahan’i Hinôma izy mba hanolorany ho sorona ho an’i Môleka ireo zanany lahy sy zanany vavy, nefa zavatra tsy nandidiako azy akory izany sady tsy mba tonga tao am-poko velively. Natao izany zavatra maharikoriko izany mba hampanota ny vahoakan’i Joda.
Malagasy Bible 1865
ary nanorina ny fitoerana avon'i Bala, izay ao amin'ny Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, izy mba hampandeha ny zananilahy sy ny zananivavy hamaky ny afo ho an'i Moloka, izay tsy nandidiako azy, na tao an-tsaiko akory aza, ka dia nanao izany fahavetavetana izany izy mba hampanota ny Joda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary nanorina ny toerana fanaovana sorona ho an’i Baala, izay ao amin’ny Lohasahan’ny taranak’i Hinoma, izy mba hampandeha ny zanany lahy sy ny zanany vavy hamakivaky ny afo ho an’i Moloka, izay tsy nandidiako azy, na tao an-tsaiko akory aza, dia nanao izany fahavetavetana izany izy mba hampanota ny Joda.
malagasy