Jeremiah 32:42 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izao no lazain’NY TOMPO: Araka ny namelako izao loza lehibe rehetra izao ho tonga tamin’ity firenena ity, dia araka izany koa no hamelako ho tonga aminy ny soa rehetra izay nokasaiko ho azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria izao no lazain’i Iaveh: Toy ny nitondrako ireo loza lehibe rehetra ireo, hanjò ity vahoaka ity, no hampidirako amin’izy ireo koa ny soa rehetra lazaiko momba azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao ihany koa no lazaiko: Izaho TOMPO no nahatonga izao loza lehibe rehetra manjo ny vahoakan’i Joda izao. Ary mbola Izaho ihany no hahatonga eo aminy ny soa rehetra izay efa nampanantenaiko azy.
Malagasy Bible 1865
Fa izao no lazain'i Jehovah: Araka ny nampahatongavako izao loza lehibe rehetra izao tamin'ity firenena ity, dia araka izany asa no hampahatongavako ny soa rehetra izay nokasaiko ho azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izao no lazain’NY TOMPO: Araka ny namelako izao loza lehibe rehetra izao ho tonga tamin’ity firenena ity, dia araka izany koa no hamelako ho tonga aminy ny soa rehetra izay nokasaiko ho azy.
malagasy
Fa izao no lazain'i Jehovah: Araka ny nampahatongavako izao loza lehibe rehetra izao tamin'ity firenena ity, dia araka izany asa no hampahatongavako ny soa rehetra izay nokasaiko ho azy.[Heb. nolazaiko]