Jeremiah 32:43 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary mbola hisy fividianana saha eto amin’ity tany ity izay ataonareo hoe: Tany lao tsy misy olona na biby fiompy sady efa voatolotra eo an-tanan’ny Kaldeana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mbola hividy saha amin’ity tany ity ny olona, izay lazainareo hoe: tany lao tsy misy olona na biby intsony, efa natolotra eo an-tanan’ny Kaldeanina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hisy fividianana saha indray eto amin’ity tany ity izay lazainao hoe lao tsy misy olona na biby fiompy intsony fa efa natolotra an’i Nebokadnetsara.
Malagasy Bible 1865
Ary mbola hisy fividianana saha eto amin'ity tany ity, izay ataonareo hoe Tany lao tsy misy olona na biby fiompy sady efa voatolotra eo an-tànan'ny Kaldeana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary mbola hisy fividianana saha eto amin’ity tany ity izay ataonareo hoe: Tany lao tsy misy olona na biby fiompy sady efa voatolotra eo an-tanan’ny Kaldeana.
malagasy
Ary mbola hisy fividianana saha eto amin'ity tany ity, izay ataonareo hoe Tany lao tsy misy olona na biby fiompy sady efa voatolotra eo an-tànan'ny Kaldeana.Eny, saha no hovidin'ny olona vola, ka hosoratany amin'ny taratasy sy hasiany tombo-kase ary hasiany vavolombelona ao amin'ny tanin'ny Benjamina sy amin'ny manodidina an'i Jerosalema sy amin'ny tanànan'ny Joda sy amin'ny tanàna any amin'ny tany havoana sy amin'ny tanàna ny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka ary amin'ny tanàna any amin'ny tany atsimo; fa hampodiko avy amin'ny fahababoany izy, hoy Jehovah.[Heb. Sefela]