Jeremiah 32:44 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, saha no hovidin’ny olona vola ka hosoratany amin’ny taratasy sy hasiany tombo-kase ary hasiany vavolombelona maro ao amin’ny tanin’ny Benjamina, amin’ny manodidina an’i Jerosalema, amin’ny tanànan’ny Joda, amin’ny tanàna any amin’ny tany be havoana, amin’ny tanàna any Sefela ary amin’ny tanàna any Negeva; fa hampodiko avy amin’ny fahababoany izy, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hovidin’ny olona vola ny saha dia hanaovana fanekena izany, hasiana tombokase sy hangalana vavolombelona eo amin’ny tanin’i Benjamina, sy eo amin’ny manodidina an’i Jerosalema sy eo amin’ny tanànan’i Jodà, eo amin’ny tanànan’ny tendrombohitra sy ny tanànan’i Sefelah, ary amin’ny tanànan’i Negeba; satria hampodiko ireo lasan-ko babo, - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, ao amin’ny faritanin’i Benjamîna sy ao amin’ny manodidina an’i Jerosalema, any amin’ny tanànan’i Joda ary koa any amin’ny tanàna any an-tendrombohitra sy any amin’ny lemak’i Sefelà ary any Negeba, dia hisy fividianana saha indray; hosoratana ny fanekem-pivarotana ka hasiana tombokase ary hiantsoana vavolombelona, satria haveriko amin’ny laoniny. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Malagasy Bible 1865
Eny, saha no hovidin'ny olona vola, ka hosoratany amin'ny taratasy sy hasiany tombo-kase ary hasiany vavolombelona ao amin'ny tanin'ny Benjamina sy amin'ny manodidina an'i Jerosalema sy amin'ny tanànan'ny Joda sy amin'ny tanàna any amin'ny tany havoana sy amin'ny tanàna ny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka ary amin'ny tanàna any amin'ny tany atsimo; fa hampodiko avy amin'ny fahababoany izy, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, saha no hovidin’ny olona vola ka hosoratany amin’ny taratasy sy hasiany tombo-kase ary hasiany vavolombelona maro ao amin’ny tanin’ny Benjamina, amin’ny manodidina an’i Jerosalema, amin’ny tanànan’ny Joda, amin’ny tanàna any amin’ny tany be havoana, amin’ny tanàna any Sefela ary amin’ny tanàna any Negeva; fa hampodiko avy amin’ny fahababoany izy, hoy NY TOMPO.
malagasy
Eny, saha no hovidin'ny olona vola, ka hosoratany amin'ny taratasy sy hasiany tombo-kase ary hasiany vavolombelona ao amin'ny tanin'ny Benjamina sy amin'ny manodidina an'i Jerosalema sy amin'ny tanànan'ny Joda sy amin'ny tanàna any amin'ny tany havoana sy amin'ny tanàna ny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka ary amin'ny tanàna any amin'ny tany atsimo; fa hampodiko avy amin'ny fahababoany izy, hoy Jehovah.[Heb. Sefela]