Jeremiah 32:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Hanamela, zana-drahalahin’Ikaky, dia tonga tao amiko teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana araka ny tenin’NY TOMPO ka hoy izy tamiko: Miangavy anao aho, vidio ny sahako izay ao Anatota, dia ilay ao amin’ny tanin’ny Benjamina, fa ianao no havana akaiky tokony handova sy hanavotra azy, vidio re ho anao. Dia fantatro fa tenin’NY TOMPO izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia tonga tatỳ amiko tokoa tao amin’ny kianja fiambenana araka ny tenin’i Iaveh i Hananeela zana-drahalahin-draiko, ka nanao tamiko hoe: «Mba vidio ny sahako ao Anatôta, amin’ny faritanin’i Benjamina, fa manana ny rariny handoavanao sy hanavotanao azy ianao, ka mba vidio àry.» Fantatro tamin’izany fa tenin’i Iaveh izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Araka izay nolazain’ny TOMPO, dia tonga tany amiko tao an-kianja fiambenana tokoa i Hanamèla zana-drahalahin-draiko, ka niteny tamiko hoe: –Tokony hovidinao ny sahako izay ao Hanatôta ao amin’ny tanin’i Benjamîna, fa ianao no havako akaiky ka manan-jo hanavotra sy hanana azy. Koa fantatro tamin’izay fa ny TOMPO tokoa no efa niteny tamiko.
Malagasy Bible 1865
Ary Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, dia tonga tamiko teo an-kianjan'ny trano fiambenana araka ny tenin'i Jehovah, ka hoy izy tamiko: Masìna ianao, vidio ny sahako izay ao Anatota, dia ilay ao amin'ny tanin'ny Benjamina, fa ianao no havana akaiky tokony handova sy hanavotra azy, vidio re ho anao. Ka dia fantatro fa tenin'i Jehovah izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Hanamela, zana-drahalahin’Ikaky, dia tonga tao amiko teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana araka ny tenin’NY TOMPO ka hoy izy tamiko: Miangavy anao aho, vidio ny sahako izay ao Anatota, dia ilay ao amin’ny tanin’ny Benjamina, fa ianao no havana akaiky tokony handova sy hanavotra azy, vidio re ho anao. Dia fantatro fa tenin’NY TOMPO izany.
malagasy