Jeremiah 33:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO: Eto amin’ity tany ity izay ataonareo hoe rava ka tsy misy olona na biby fiompy intsony, dia eto amin’ny tanànan’ny Joda sy ao amin’ny lalamben’i Jerosalema izay efa lao ka tsy misy olona na mponina na biby fiompy,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh: Eto amin’ity tany ity, izay lazainareo hoe; «Efitra tsy misy olona na biby», eo amin’ny tanànan’i Jodà, mbamin’ny araben’i Jerosalema, izay efa lao monina tsy misy olona, na mponina, na biby,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPO: «Ianareo vahoakan’i Joda dia mamerimberina hoe rava ny taninay ka tsy ahitana olona na biby fiompy intsony. Marina tokoa fa ny tanànan’i Joda sy ny lalamben’i Jerosalema dia foana ka tsy ahitana olona na biby fiompy monina ao intsony. Kanefa amin’izany toerana izany no mbola handrenesana indray
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah: Mbola ho re indray eto amin'ity tany ity, izay ataonareo hoe Rava, ka tsy misy olona na biby fiompy intsony dia eto amin'ny tanànan'ny Joda sy ao amin'ny lalamben'i Jerosalema izay efa lao, ka tsy misy olona na mponina na biby fiompy
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO: Eto amin’ity tany ity izay ataonareo hoe rava ka tsy misy olona na biby fiompy intsony, dia eto amin’ny tanànan’ny Joda sy ao amin’ny lalamben’i Jerosalema izay efa lao ka tsy misy olona na mponina na biby fiompy,
malagasy