Jeremiah 33:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
no mbola handrenesana indray ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ny mpampakatra sy ny an’ny ampakarina ary ny feon’izay miteny hoe: Miderà an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, fa tsara Izy, fa, mandrakizay ny famindrampony, dia izay mitondra fanati-pisaorana ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO; fa hataoko tonga tahaka ny tany aloha ny fahatsarany, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia ho re indray ny feo fifaliana amam-peo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra aman-kiran’ny ampakarina, ny feon’ireo manao hoe: «Miderà an’i Iavehn’ny tafika, fa tsara i Iaveh, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony»; ny feon’ireo tonga hanatitra sorona fisaorana ao an-tranon’i Iaveh. Fa hampodiko indray ireo babo avy amin’ity tany ity, mba ho tahaka ny tamin’ny voalohany indray izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ny kotaban’ny fety sy ny horakora-pifaliana. Ho re ao indray ny hiran’ny mpanambady; ho re ao indray ny hira manao hoe: Derao ny TOMPOn’izao rehetra izao, fa tsara Izy; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany. Izany no hiran’ireo mitondra sorom-pisaorana mankao an-tranoko. Eny, hoy Izaho TOMPO, haveriko amin’ny laoniny toy ny fahiny izany tany izany.»
Malagasy Bible 1865
Ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina ary ny feon'izay manao hoe: Miderà an'i Jehovah, Tompon'ny maro, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia izay mitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon'i Jehovah; Fa hataoko tonga tahaka ny tany aloha ny fahatsarany, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
no mbola handrenesana indray ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ny mpampakatra sy ny an’ny ampakarina ary ny feon’izay miteny hoe: Miderà an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, fa tsara Izy, fa, mandrakizay ny famindrampony, dia izay mitondra fanati-pisaorana ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO; fa hataoko tonga tahaka ny tany aloha ny fahatsarany, hoy NY TOMPO.
malagasy
Ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina ary ny feon'izay manao hoe: Miderà an'i Jehovah, Tompon'ny maro, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia izay mitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon'i Jehovah; Fa hataoko tonga tahaka ny tany aloha ny fahatsarany, hoy Jehovah.[Heb. hampodiko avy amin'ny fahababoana]