Jeremiah 33:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Eto amin’ity tany efa lao tsy misy olona na biby fiompy ity sy amin’ny tanànany rehetra dia mbola hisy fonenan’ny mpiandry ondry hampandriany ny ondry aman’osiny,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Eto amin’ity fitoerana ity, izay efitra tsy misy olona na biby, sy eo amin’ny tanànany rehetra dia hisy fialofana ho an’ny mpiandry biby, hampandriany eo ny biby fiompiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao koa no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Eto amin’ity toerana rava ka tsy ahitana olona na biby fiompy ity sy amin’ny tanànany rehetra dia hisy faritra hampandrian’ireo mpiandry ondry ny biby fiompiny.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Eto amin'ity tany efa lao tsy misy olona na biby fiompy ity sy amin'ny tanànany rehetra dia mbola hisy fonenan'ny mpiandry ondry hampandriany ny ondry aman'osiny,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Eto amin’ity tany efa lao tsy misy olona na biby fiompy ity sy amin’ny tanànany rehetra dia mbola hisy fonenan’ny mpiandry ondry hampandriany ny ondry aman’osiny,
malagasy