Jeremiah 33:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia amin’ny tanàna any amin’ny tany be havoana, amin’ny tanàna any Sefela, amin’ny tanàna any Negeva, amin’ny tanin’ny Benjamina, amin’ny manodidina an’i Jerosalema, ary amin’ny tanànan’ny Joda, dia mbola hampandalovina eo anatrehan’ny mpanisa azy ny ondry aman’osy mba ho isainy, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eo amin’ny tanànan’ny tendrombohitra sy eo amin’ny tanànan’i Sefelah sy eo amin’ny tanin’i Benjamina sy eo amin’ny manodidina an’i Jerosalema, ary eo amin’ny tanànan’i Jodà, dia mbola hizoran’ny biby fiompy eo ambanin’ny tanan’izay manisa azy, hoy i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ao amin’ireo tanàna any an-tendrombohitra sy any Sefalà ary any Negeba, ao amin’ny faritanin’i Benjamîna sy ny manodidina an’i Jerosalema ary ao amin’ireo tanànan’i Joda, hoy Izaho TOMPO, dia handalo eo anatrehan’ny mpiandry azy indray ny ondry aman’osy mba hisainy.»
Malagasy Bible 1865
Dia amin'ny tanàna any amin'ny tany havoana sy amin'ny tanàna any amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka, ary amin'ny tanana any amin'ny tany atsimo sy amin'ny tanin'ny Benjamina sy amin'ny manodidina an'i Jerosalema ary amin'ny tanànan'ny Joda, ary ny ondry aman'osy mbola handroso araka ny fitondran'ny mpanisa azy, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia amin’ny tanàna any amin’ny tany be havoana, amin’ny tanàna any Sefela, amin’ny tanàna any Negeva, amin’ny tanin’ny Benjamina, amin’ny manodidina an’i Jerosalema, ary amin’ny tanànan’ny Joda, dia mbola hampandalovina eo anatrehan’ny mpanisa azy ny ondry aman’osy mba ho isainy, hoy NY TOMPO.
malagasy