Jeremiah 33:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia ho azo foanana koa ny fanekeko tamin’i Davida mpanompoko, tsy hananany zanakalahy hanjaka eo amin’ny sezafiandrianany, sy ny amin’ny levita mpisorona, mpanompoko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
amin’izany, dia ho foana ny fanekeko tamin’i Davida mpanompoko, ka tsy hanan-janaka lahy hanjaka eo amin’ny seza fiandrianany izy, sy ny fanekeko amin’ireo Levita mpisorona, manao fanompoana Ahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia ho foana ny fanekempihavanana nataoko tamin’i Davida mpanompoko ka tsy hanana zanakalahy hipetraka eo amin’ny sezafiandrianany izy, ary tsy hisy koa ny mpisorona taranak’i Levỳ hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy.
Malagasy Bible 1865
Dia ho azo foanana koa ny fanekeko tamin'i Davida mpanompoko, tsy hananany zanakalahy hanjaka eo amin'ny seza fiandrianany, sy ny amin'ny Levita mpisorona, mpanompoko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia ho azo foanana koa ny fanekeko tamin’i Davida mpanompoko, tsy hananany zanakalahy hanjaka eo amin’ny sezafiandrianany, sy ny amin’ny levita* mpisorona, mpanompoko.
malagasy
Dia ho azo foanana koa ny fanekeko tamin'i Davida mpanompoko, tsy hananany zanakalahy hanjaka eo amin'ny seza fiandrianany, sy ny amin'ny Levita mpisorona, mpanompoko.