Jeremiah 33:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy hitanao va izay nolazain’ity firenena ity hoe: Ny fianakaviana roa izay nofidin’NY TOMPO dia efa nariany; toy izany no anamavoany ny oloko ka tsy vanon-ko firenena eo imasony intsony izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy hitanao va ny lazain’ity vahoaka ity ataony hoe: «Efa narian’i Iaveh ny fianakaviana roa nofidiny!» Manamavo ny vahoakako izy izany ka ataony ho tsy firenena intsony aza izy eo anatrehan’izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Tsy mba voamarikao angaha fa lazain’ny olona hoe nariako hono ireo fianakaviana roa nofidiko, dia i Israely sy i Joda? Izay miteny izany anefa dia tsy mihevitra ny vahoakako ho firenena intsony fa manevateva azy.
Malagasy Bible 1865
Tsy hitanao va izay nolazain'ity firenena ity hoe: Ny fianakaviana roa izay nofidin'i Jehovah dia efa nariany; Toy izany no anamavoany ny oloko, ka dia tsy vanon-ko firenena eo imasony intsony izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy hitanao va izay nolazain’ity firenena ity hoe: Ny fianakaviana roa izay nofidin’NY TOMPO dia efa nariany; toy izany no anamavoany ny oloko ka tsy vanon-ko firenena eo imasony intsony izy.
malagasy
Tsy hitanao va izay nolazain'ity firenena ity hoe: Ny fianakaviana roa izay nofidin'i Jehovah dia efa nariany; Toy izany no anamavoany ny oloko, ka dia tsy vanon-ko firenena eo imasony intsony izy.