Jeremiah 33:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ny amin’ny trano amin’ity tanàna ity sy ny amin’ny lapan’ny mpanjakan’ny Joda, izay noravana tamin’ny tovon-tany sy ny sabatra,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, ny amin’ireo trano eto amin’ity tanàna ity, mbamin’ireo tranon’ny mpanjakan’i Jodà izay nazera hanatrehana ny milina fiadiana sy ny sabatra;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izaho TOMPO Andriamanitr’i Israely dia milaza ny amin’ireo trano eto an-tanàna sy ny lapan’ny mpanjakan’i Joda fa rava avokoa ireo. Ny amin’ny tovon-tany fanafihana sy ny ady kosa dia izao: Tsy ilaina ny hanoherana ny Babilônianina fa hahafeno faty eto an-tanàna izany noho ny olona naripaky ny fahatezerako amam-pahavinirako. Fa ny haratsiana rehetra nataon’ny mponin’i Jerosalema no nahatonga Ahy tsy niraharaha ny tanànany.
Malagasy Bible 1865
Fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely; Ny amin'ny trano amin'ity tanàna ity sy ny amin'ny lapan'ny mpanjakan'ny Joda, izay noravana noho ny tovon-tany sy ny sabatra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ny amin’ny trano amin’ity tanàna ity sy ny amin’ny lapan’ny mpanjakan’ny Joda, izay noravana tamin’ny tovon-tany sy ny sabatra,
malagasy
Fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely; Ny amin'ny trano amin'ity tanàna ity sy ny amin'ny lapan'ny mpanjakan'ny Joda, izay noravana noho ny tovon-tany sy ny sabatra,