Jeremiah 33:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ho anarana mahafaly Ahy izany sady ho dera sy voninahitra ho an’ny firenena rehetra ambonin’ny tany izay handre ny soa rehetra hataoko aminy; dia hatahotra sy hangovitra izy noho ny soa rehetra sy noho ny fiadanana rehetra izay hataoko aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny anaran’ity tanàna ity ho Ahy dia ho anaram-pifaliana sy fiderana amam-boninahitra, any amin’ny firenen-drehetra ambonin’ny tany, izay handre ny soa rehetra hataoko aminy; ho raiki-tahotra sy hangovitra ireny, mahita ny fiadanana amam-panambinana rehetra homeko azy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hahafaly Ahy ny hanonona ny anaran’i Jerosalema, ka ho voninahitro sy haingoko eo imason’ny firenen-kafa rehetra ambonin’ny tany izy. Ary rehefa handre ny soa rehetra izay hataoko amin’i Jerosalema, ireo firenena ireo, dia hangovitry ny tahotra manoloana ny soa rehetra sy ny fiadanam-be izay hataoko aminy.»
Malagasy Bible 1865
Ary ho anarana mahafaly Ahy izany sady ho dera sy voninahitra ho an'ny firenena rehetra ambonin'ny tany, izay handre ny soa rehetra ataoko aminy; Dia hatahotra sy hangovitra izy noho ny soa rehetra sy noho ny fiadanana rehetra izay hataoko aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ho anarana mahafaly Ahy izany sady ho dera sy voninahitra ho an’ny firenena rehetra ambonin’ny tany izay handre ny soa rehetra hataoko aminy; dia hatahotra sy hangovitra izy noho ny soa rehetra sy noho ny fiadanana rehetra izay hataoko aminy.
malagasy