Jeremiah 34:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO, fony i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, namely an’i Jerosalema sy ny tanànany rehetra niaraka tamin’ny miaramilany rehetra ary ny fanjakana rehetra amin’ny tany izay nanjakany mbamin’ny firenena rehetra:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Teny avy amin’i Iaveh, tonga tamin’i Jeremia, fony i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna mbamin’ny tafiny rehetra, ny fanjakana rehetra amin’ny tany nanoa azy ho mpanapaka, ary ny firenena rehetra, niady tamin’i Jerosalema mbamin’ny tanàna rehetra momba azy, teny nanao hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niady tamin’i Jerosalema sy ireo tanànan’i Joda i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna, niaraka taminy ny tafiny rehetra sy ny miaramilan’ny fanjakana rehetra eran-tany mbamin’ny vahoaka rehetra teo ambany fahefàny. Tamin’izany no tonga ho an’i Jeremià avy amin’n TOMPO izao teny manaraka izao:
Malagasy Bible 1865
Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, fony Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra ary ny fanjakana rehetra amin'ny tany izay nanjakany mbamin'ny firenena rehetra izay namely an'i Jerosalema sy ny tanànany rehetra, nanao hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO, fony i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, namely an’i Jerosalema sy ny tanànany rehetra niaraka tamin’ny miaramilany rehetra ary ny fanjakana rehetra amin’ny tany izay nanjakany mbamin’ny firenena rehetra:
malagasy
[Faminaniana ny amin'ny hanjo an'i Zedekia, sy fananarana ny olona noho izy nanandevo indray izay efa novotsorany] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, fony Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra ary ny fanjakana rehetra amin'ny tany izay nanjakany mbamin'ny firenena rehetra izay namely an'i Jerosalema sy ny tanànany rehetra, nanao hoe: