Jeremiah 34:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanaiky ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra izay nanao ny fanekena fa samy handefa ny mpanompolahiny sy ny mpanompovaviny ho afaka mba tsy hampanompoany azy intsony; eny, nanaiky izy ka samy nandefa azy ho afaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Samy nanaiky avokoa ny mpanapaka sy ny vahoaka niditra tamin’izany fanekena izany, ny handefa ny ankizy lahiny aman’ankizy vaviny ho afaka ka tsy hitana azy ao amin’ny fanompoana intsony, sady nanaiky izy ireo no nandefa tokoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpitondra fanjakana rehetra sy ny mponina tao Jerosalema dia samy nandray anjara tamin’izany fifanekena ampahibemaso izany avokoa ary nanaiky tsy hampanompo intsony ireo lehilahy sy vehivavy eo an-tanany, fa samy handefa azy ireny ho afaka. Samy nanaiky izany fifanekena izany avokoa ny olona ka namela ny mpanompony handeha.
Malagasy Bible 1865
Ka dia nanaiky ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra izay nanao ny fanekena, samy handefa ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny ho afaka mba tsy hampanompoany azy intsony; eny, nanaiky izy, ka samy nandefa azy ho afaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanaiky ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra izay nanao ny fanekena fa samy handefa ny mpanompolahiny sy ny mpanompovaviny ho afaka mba tsy hampanompoany azy intsony; eny, nanaiky izy ka samy nandefa azy ho afaka.
malagasy