Jeremiah 34:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Izaho efa nanao fanekena tamin’ny razanareo tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta hiala tamin’ny trano nanandevozana, tamin’ny nilazako hoe:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Nanao fanekena tamin’ny razanareo Aho, fony Aho nitondra azy ireo nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, tamin’ny trano nahandevozana, nanao hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: Efa nanao fifanekena tamin’ny razanareo koa Aho fony namoaka azy tany Ejipta izay toerana nanandevozana azy.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho efa nanao fanekena tamin'ny razanareo tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta hiala tamin'ny trano nahandevozana nanao hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Izaho efa nanao fanekena tamin’ny razanareo tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta hiala tamin’ny trano nanandevozana, tamin’ny nilazako hoe:
malagasy