Jeremiah 34:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Isaky ny fito taona dia samia mandefa ny Hebreo rahalahiny izay namidy taminao; koa rehefa nanompo anao enin-taona izy dia alefaso ho afaka; nefa tsy nihaino Ahy ny razanareo ary tsy nanongilana ny sofiny izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Samia ianareo mandefa ny Hebrio rahalahiny izay namidy taminy avy, rehefa afaka ny fito taona; enin-taona no hanompoany anao, dia halefanao ho afaka izy hiala ao aminao»; tsy nihaino Ahy anefa ny razanareo na nanongilan-tsofina akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Isaky ny fito taona, hoy Aho taminy, dia aoka ianareo samy handefa ho afaka ireo Hebreo mpiray firenena aminareo, Hebreo izay nitolo-tena ho andevo taminareo ka efa nanompo anareo enin-taona. Tokony havelanareo ho afaka malalaka izy. Kanjo ny razanareo tsy nanaiky Ahy, ary tsy nihaino Ahy akory.
Malagasy Bible 1865
Isam-pito taona samia mandefa ny Hebreo rahalahiny, izay namidy taminao; ka rehefa nanompo anao enin-taona izy, dia alefaso ho afaka; nefa ny razanareo tsy nihaino Ahy ka nanongilana ny sofiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Isam-pito taona samia mandefa ny Hebreo rahalahiny, izay namidy taminao; ka rehefa nanompo anao enin-taona izy, dia alefaso ho afaka; nefa ny razanareo tsy nihaino Ahy ka nanongilana ny sofiny.