Jeremiah 34:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nibebaka ianareo androany ka nanao izay mahitsy teo imasoko tamin’ny niantsoanareo fanafahana, samy handefa ny rahalahiny avy; ary nanao fanekena teo anatrehako ianareo, dia tao amin’ny trano izay efa niantsoana ny anarako;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ianareo kosa androany efa nody, ka nanao izay mahitsy eo imasoko tamin’ny nitorianareo fahafahana samy handefa ny namany avy; efa nanao fanekena teo imasoko ianareo tao amin’ny trano iantsoana ny Anarako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ianareo kosa tato ho ato dia nanao fanapahan-kevitra mifanohitra amin’izany, ary hitako fa nanao izay mahitsy ianareo raha nanambara fanafahana ho an’ny namanareo, sady nanao fifanekena ampahibemaso tao amin’ny trano natokana ho Ahy.
Malagasy Bible 1865
Ary nibebaka ianareo androany ka nanao izay mahitsy eo imasoko tamin'ny niantsoanareo fanafahana, samy handefa ny rahalahiny avy; ary nanao fanekena teo anatrehako ianareo, dia tao amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nibebaka ianareo androany ka nanao izay mahitsy teo imasoko tamin’ny niantsoanareo fanafahana, samy handefa ny rahalahiny avy; ary nanao fanekena teo anatrehako ianareo, dia tao amin’ny trano izay efa niantsoana ny anarako;
malagasy