Jeremiah 34:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
kanjo nivadika indray ianareo ka nanamavo ny anarako, fa samy namerina ny mpanompolahiny sy ny mpanompovaviny izay efa nalefanareo handeha araka izay tiany, dia nanandevo azy ho mpanompolahiny sy ho mpanompovaviny indray ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanjo niova hevitra indray ianareo ity, ka manevateva ny Anarako, samy mamerina ny ankizy lahiny aman’ankizy vaviny izay efa nalefanareo sy navelanareo hizaka tena avy ianareo, sy nanery azy ho tonga ankizy lahy aman’ankizy vavy indray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanjo niova hevitra ianareo sady nanao tsinontsinona Ahy, fa samy namerina indray ireo mpanompo lahy sy vavy izay efa nalefanareo handeha ka nanery azy ho andevo indray.»
Malagasy Bible 1865
kanjo nivadika indray ianareo ka tsy nanamasina ny anarako, fa samy namerina ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny, izay efa nalefanareo handeha araka izay tiany, dia nanandevo azy ho ankizilahiny sy ho ankizivaviny indray.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
kanjo nivadika indray ianareo ka nanamavo ny anarako, fa samy namerina ny mpanompolahiny sy ny mpanompovaviny izay efa nalefanareo handeha araka izay tiany, dia nanandevo azy ho mpanompolahiny sy ho mpanompovaviny indray ianareo.
malagasy