Jeremiah 34:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, handidy Aho, hoy NY TOMPO, ary hampivereniko ho amin’ity tanàna ity ireo; hasiany ity tanàna ity ka ho azony, dia hodorany amin’ny afo. Ary ny tanànan’ny Joda dia hofoanako tsy hisy mponina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro manome didy Aho, - teny marin’i Iaveh - hampiverina azy hamely ity tanàna ity indray, dia hiady aminy izy ka hahafaka azy sy handoro azy, ary hataoko zary efitra tsy misy mponina ny tanànan’i Jodà
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
saingy hasaiko hiverina hanafika ity tanàna ity indray izy, ka hahafaka sy handoro azy. Ary ireo tanànan’i Joda dia hataoko lao tsy hisy mponina; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Malagasy Bible 1865
Indro, handidy Aho, hoy Jehovah, ary hampivereniko ho amin'ity tanàna ity ireo; ary hasiany ity ka ho afany, dia hodorany amin'ny afo; ary ny tanànan'ny Joda dia hofoanako tsy hisy mponina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, handidy Aho, hoy NY TOMPO, ary hampivereniko ho amin’ity tanàna ity ireo; hasiany ity tanàna ity ka ho azony, dia hodorany amin’ny afo. Ary ny tanànan’ny Joda dia hofoanako tsy hisy mponina.
malagasy
Indro, handidy Aho, hoy Jehovah, ary hampivereniko ho amin'ity tanàna ity ireo; ary hasiany ity ka ho afany, dia hodorany amin'ny afo; ary ny tanànan'ny Joda dia hofoanako tsy hisy mponina.