Jeremiah 34:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa amin’ny fiadanana no hahafatesanao, ary handoro zavatra ho fisaonana anao ny olona, tahaka ny nandoroany ho fisaonana ny razanao, dia ireo mpanjaka fahiny tany alohanao, ary hitomany anao ny olona hoe: Indrisy ry tompoko! Izaho no milaza izany, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa ho faty amim-piadanana, ary toy ny nandoroan’ny olona zava-manitra ho an’ireo razanao, izay mpanjaka talohanao, no handoroany izany ho anao koa; sady hitomany anao ny olona, hanao: «Indrisy! ry tompo!» satria Izaho efa nilaza izany, - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ho faty amim-piadanana aza ianao, ka ny fandevenana anao dia hatao tahaka ny an’ireo razanao izay mpanjaka talohanao: handoran’ny olona zava-manitra ianao sady hanaovany hira fisaonana hoe: ‹Indrisy, ry mpanjaka tompoko!› Izaho TOMPO mihitsy no milaza, ary teny hentitra avy amiko izany!»
Malagasy Bible 1865
fa amin'ny fiadanana no hahafatesanao, ary handoro zavatra ho fisaonana anao ny olona, tahaka ny nandoroany ho fisaonana ny razanao, dia ireny mpanjaka fahiny tany alohanao, ary hitomany anao ny olona hoe: Indrisy ry tompoko; fa Izaho no efa nilaza izany, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa amin’ny fiadanana no hahafatesanao, ary handoro zavatra ho fisaonana anao ny olona, tahaka ny nandoroany ho fisaonana ny razanao, dia ireo mpanjaka fahiny tany alohanao, ary hitomany anao ny olona hoe: Indrisy ry tompoko! Izaho no milaza izany, hoy NY TOMPO.
malagasy