Jeremiah 34:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fony mbola namely an’i Jerosalema sy ny tanànan’ny Joda sisa rehetra, dia i Lakisy sy i Azeka, ny miaramilan’ny mpanjakan’i Babilona: fa ireo ihany no tanàna mimanda sisa tamin’ny tanànan’ny Joda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna niady tamin’i Jerosalema sy tamin’ny tanànan’i Jodà rehetra izay mbola nahatohitra ihany, tamin’i Lakisa sy tamin’i Azeka, fa ireo no hany sisa tamin’ny tanànan’i Jodà, tamin’ny tanàna mimanda.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay fotoana izay ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna dia namely an’i Jerosalema sy ireo tanànamimanda hafa tany Joda izay mbola sisa nijoro, dia i Lakisy sy i Hazekà.
Malagasy Bible 1865
fony ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona mbola namely an'i Jerosalema sy ny tanànan'ny Joda sisa rehetra, dia Lakisy sy Azeka: fa ireo ihany no tanàna mimanda sisa tamin'ny tanànan'ny Joda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fony mbola namely an’i Jerosalema sy ny tanànan’ny Joda sisa rehetra, dia i Lakisy sy i Azeka, ny miaramilan’ny mpanjakan’i Babilona: fa ireo ihany no tanàna mimanda sisa tamin’ny tanànan’ny Joda.
malagasy
fony ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona mbola namely an'i Jerosalema sy ny tanànan'ny Joda sisa rehetra, dia Lakisy sy Azeka: fa ireo ihany no tanàna mimanda sisa tamin'ny tanànan'ny Joda.