Jeremiah 34:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka samy handefa ny mpanompolahiny sy ny mpanompovaviny, dia izay Hebreo lahy sy Hebreo vavy, ho afaka, mba tsy hisy hampanompo ny Jiosy rahalahiny intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
hitory fahafahana ho azy ireo mba handefasan’izy ireo ny ankizy lahiny aman’ankizy vaviny avy, dia ny lehilahy na vehivavy Hebrio, ka tsy hisy olona hitana ny Jody rahalahiny ao amin’ny fanompoana intsony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy maintsy handefa ny andevony hebreo na lahy na vavy ho afaka ny olona tsirairay, ka tsy hisy intsony hampanompo ny taranak’i Joda mpiray firenena aminy.
Malagasy Bible 1865
mba samy handefa ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny, dia izay Hebreolahy sy Hebreovavy, ho afaka, mba tsy hisy hampanompo ny Jiosy rahalahiny intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka samy handefa ny mpanompolahiny sy ny mpanompovaviny, dia izay Hebreo lahy sy Hebreo vavy, ho afaka, mba tsy hisy hampanompo ny Jiosy* rahalahiny intsony.
malagasy
mba samy handefa ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny, dia izay Hebreolahy sy Hebreovavy, ho afaka, mba tsy hisy hampanompo ny Jiosy rahalahiny intsony.