Jeremiah 35:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Andeha, lazao amin’ny Joda sy amin’ny mponina any Jerosalema hoe: Tsy hino anatra hitandrina ny teniko va ianareo? Hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Mandehana ianao milazà amin’ny olona any Jodà, sy amin’ny mponina ao Jerosalema hoe: Tsy mba hety handray fampianarana amin’ny fihainoana ny teniko va ianareo? - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Mitenena amin’ny vahoakan’i Joda sy ny mponina eto Jerosalema ianao, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Moa tsy tokony ho nandray anatra va ianareo ka ho nihaino izay nolazaiko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO?
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Andeha, lazao amin'ny Joda sy amin'ny mponina any Jerosalema hoe: Tsy hino anatra hitandrina ny teniko va ianareo? hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Andeha, lazao amin'ny Joda sy amin'ny mponina any Jerosalema hoe: Tsy hino anatra hitandrina ny teniko va ianareo? hoy Jehovah.