Jeremiah 35:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nirahiko taminareo koa ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha vao maraina Aho ka naniraka azy hiteny hoe: Samia miala amin’ny lalanareo ratsy ianareo ankehitriny, ary ataovy tsara ny ataonareo, ary aza manaraka andriamanitra hafa hanompo azy, dia honina amin’ny tany izay nomeko anareo sy ny razanareo ianareo; nefa tsy nanongilana ny sofinareo na nihaino Ahy ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nirahiko tany aminareo ny mpaminany rehetra, mpanompoko, sady nirahiko hatramin’ny vao maraina, hilaza aminareo hoe: Samia miala amin’ny lalan-dratsinareo avy ianareo; hatsarao ny fitondran-tenanareo; aza mandeha manaraka andriamani-kafa mba hanompo azy; dia honina amin’ny tany nomeko anareo, dia ny tenanareo sy ny razanareo, ianareo; kanefa tsy nanongilan-tsofina ianareo, na nihaino Ahy akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy nitsahatra nandefa ny mpaminany mpanompoko rehetra nifandimby nankany aminareo Aho hilaza aminareo hoe: ‹Samia miala amin’ny lalan-dratsiny ka manaova ny tsara, atsaharo ny mifikitra amin’andriamani-kafa sy manao fanompoam-pivavahana ho azy, dia hahazo honina eto amin’ny tany efa nomeko anareo sy ny razanareo ianareo.› Kanefa tsy nanongilan-tsofina tamiko sady tsy nihaino Ahy ianareo.
Malagasy Bible 1865
Nirahiko taminareo koa ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy hanao hoe: Samia miala amin'ny lalanareo ratsy ianareo ankehitriny, ary ataovy tsara ny ataonareo. ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy, dia honina amin'ny tany izay nomeko anareo sy ny razanareo ianareo nefa tsy nanongilana ny sofinareo na nihaino Ahy ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nirahiko taminareo koa ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha vao maraina Aho ka naniraka azy hiteny hoe: Samia miala amin’ny lalanareo ratsy ianareo ankehitriny, ary ataovy tsara ny ataonareo, ary aza manaraka andriamanitra hafa hanompo azy, dia honina amin’ny tany izay nomeko anareo sy ny razanareo ianareo; nefa tsy nanongilana ny sofinareo na nihaino Ahy ianareo.
malagasy