Jeremiah 35:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hataoko mihatra amin’ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy satria efa niteny taminy Aho fa tsy nihaino izy, ary niantso azy Aho fa tsy namaly izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho izany, izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitry ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro hataoko mihatra amin’i Jodà sy amin’ny mponina rehetra ao Jerosalema, ny loza rehetra voalazako ny amin’izy ireo; satria niteny tamin’izy ireo Aho, fa tsy nohenoiny; ary niantso azy Aho, fa tsy novaliany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy koa i Jeremià hoe: «Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Indro hahatonga ny loza izay voalazako taminareo Aho, ry vahoakan’i Joda sy ry mponin’i Jerosalema. Satria efa niteny taminareo Aho fa tsy nihaino ianareo, efa niantso anareo Aho fa tsy namaly ianareo.»
Malagasy Bible 1865
Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely Indro, hataoko mihatra amin'ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy, satria efa niteny taminy Aho, fa tsy nihaino izy, ary niantso azy Aho, fa tsy namaly izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hataoko mihatra amin’ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy satria efa niteny taminy Aho fa tsy nihaino izy, ary niantso azy Aho fa tsy namaly izy.
malagasy