Jeremiah 35:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny taranak’i Rekaba dia nilazan’i Jeremia hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Noho ny nahatananareo ny hafatr’i Jonadaba razanareo sy ny nitandremanareo ny hafany rehetra ary ny nanaovanareo araka izay rehetra nanafarany anareo,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Jeremia tamin’ny fianakavian’ny Rekabita: «Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Noho ianareo nanaiky ny didin’i Jônadaba razanareo, sy nitandrina ny didiny rehetra, ary nanatanteraka izay rehetra nasainy nataonareo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo, dia hoy i Jeremià tamin’ny fokon’ny Rekabita: «Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Nitana ny hafatra azonareo tamin’i Jônadaba razanareo ianareo, ka nanatanteraka izany an-tsakany sy an-davany araka izay rehetra nanafarany anareo.
Malagasy Bible 1865
Ary ny taranak'i Rekaba dia nilazan'i Jeremia hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Noho ny nahatananareo ny hafatr'i Jonadaba razanareo sy ny nitandremanareo ny hafany rehetra ary ny nanaovanareo araka izay rehetra nanafarany anareo,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny taranak’i Rekaba dia nilazan’i Jeremia hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Noho ny nahatananareo ny hafatr’i Jonadaba razanareo sy ny nitandremanareo ny hafany rehetra ary ny nanaovanareo araka izay rehetra nanafarany anareo,
malagasy
Ary ny taranak'i Rekaba dia nilazan'i Jeremia hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Noho ny nahatananareo ny hafatr'i Jonadaba razanareo sy ny nitandremanareo ny hafany rehetra ary ny nanaovanareo araka izay rehetra nanafarany anareo,dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Jonadaba, zanak'i Rekaba, tsy ho diso zanakalahy hitsangana eo anatrehako mandrakizay.