Jeremiah 35:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: I Jonadaba, zanak’i Rekaba, dia tsy ho diso zanakalahy hitsangana eo anatrehako mandrakizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
noho izany dia izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Na oviana na oviana tsy ho lany zanaka lahy hitsangana eo anatrehako i Jônadaba zana-dRekaba».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, amin’ny fianakavian’i Jônadaba zanakalahin’i Rekaba, dia hisy hatrany olona hijoro hanompo eo anatrehako. Izaho TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely no milaza izany.»
Malagasy Bible 1865
dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Jonadaba, zanak'i Rekaba, tsy ho diso zanakalahy hitsangana eo anatrehako mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: I Jonadaba, zanak’i Rekaba, dia tsy ho diso zanakalahy hitsangana eo anatrehako mandrakizay.
malagasy
dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Jonadaba, zanak'i Rekaba, tsy ho diso zanakalahy hitsangana eo anatrehako mandrakizay.