Jeremiah 35:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary aza manao trano ianareo, na mamafy voan-javatra, na manao tanim-boaloboka, na mety hanana izany akory; fa tranolay no itoeronareo amin’ny andronareo rehetra, mba ho ela velona ianareo amin’ny tany izay ivahinianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary aza manorina trano, na mamafy voan-javatra, na mamboly voaloboka, na manana izany akory; fa aoka hitoetra an-day amin’ny andro rehetra iainanareo, mba ho velona mandritra ny andro maro amin’ny tany izay ipetrahanareo toy ny vahiny ianareo.›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aza manao trano ianareo na mamboly ny tany na mamboly voaloboka, na manana tanimboaloboka; fa anaty trano lay ihany no hipetrahanareo mandritra ny androm-piainanareo rehetra, dia ho ela velona ianareo any amin’ny tany izay ivahinianareo any.»
Malagasy Bible 1865
ary aza manao trano ianareo, na mamafy voan-javatra, na manao tanim-boaloboka, na mety hanana izany akory, fa lay no itoeronareo amin'ny andronareo rehetra, mba ho ela velona ianareo amin'ny tany izay ivahinianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary aza manao trano ianareo, na mamafy voan-javatra, na manao tanim-boaloboka, na mety hanana izany akory; fa tranolay no itoeronareo amin’ny andronareo rehetra, mba ho ela velona ianareo amin’ny tany izay ivahinianareo.
malagasy