Jeremiah 35:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nankatoavinay izany tenin’i Jonadaba, zanak’i Rekaba, razanay, izany, tamin’izay rehetra nanafarany anay, mba tsy hisotro divay amin’ny andronay rehetra, na izahay, na ny vadinay, na ny zanakay lahy, na ny zanakay vavy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa notandremanay ny tenin’i Jônadaba zana-dRekaba razanay, tamin’ny zavatra rehetra nandidiany anay, ka dia tsy misotro divay na oviana na oviana, na ny tenanay, na ny vadinay, na ny zanakay lahy, na ny zanakay vavy;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nankatoavinay ny tenin’i Jônadaba zanakalahin’i Rekaba sady razanay, tamin’izay rehetra nanafarany anay. Dia tsy misotro divay na oviana na oviana ny tenanay na ny vadinay na ny zanakay lahy na ny zanakay vavy.
Malagasy Bible 1865
Dia nankatoavinay izany tenin'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, razanay izany tamin'izay rehetra nanafarany anay, mba tsy hisotro divay amin'ny andronay rehetra, na izahay na ny vadinay, na ny zanakai-lahy, na ny zanakai-vavy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nankatoavinay izany tenin’i Jonadaba, zanak’i Rekaba, razanay, izany, tamin’izay rehetra nanafarany anay, mba tsy hisotro divay amin’ny andronay rehetra, na izahay, na ny vadinay, na ny zanakay lahy, na ny zanakay vavy;
malagasy