Jeremiah 36:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia novakin’i Baroka teo anatrehan’ny vahoaka rehetra tao amin’ny tranon’NY TOMPO ny tenin’i Jeremia tamin’ny taratasy; izany dia tao amin’ny efitranon’i Gemaria, zanak’i Safana mpitantsoratra, teo amin’ny kianja ambony, teo anoloan’ny vavahady vaovao amin’ny tranon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary novakin’i Baròka tamin’izay, tao amin’ny boky ny tenin’i Iaveh, tao an-tranon’i Iaveh, amin’ny efitranon’i Gamariasa, zanak’i Safàna, mpanoratra, teo amin’ny kianja ambony, anoloan’ny vavahady Vaovao amin’ny tranon’i Iaveh, mba ho ren’ny vahoaka rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa teo imason’ny olona rehetra vory tao an-tranon’ny TOMPO no namakian’i Baròka mafy ny hafatr’i Jeremià voasoratra tao amin’ny horonan-taratasy. Teo amin’ny efitrano natokana ho an’i Gemarià, zanakalahin’i Safàna izay mpitantsora-panjakana taloha, no nakany toerana fa io efitra io dia teo an-kianja ambony, akaikin’ny vavahady vaovao amin’ny tranon’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Dia novakin'i Baroka teo anatrehan'ny vahoaka rehetra tao an-tranon'i Jehovah ny tenin'i Jeremia tamin'ny taratasy, dia tao amin'ny efi-tranon'i Gemaria, zanak'i Safana mpanoratra, teo amin'ny kianja ambony, teo anoloan'ny vavahady vaovao amin'ny tranon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia novakin’i Baroka teo anatrehan’ny vahoaka rehetra tao amin’ny tranon’NY TOMPO ny tenin’i Jeremia tamin’ny taratasy; izany dia tao amin’ny efitranon’i Gemaria, zanak’i Safana mpitantsoratra, teo amin’ny kianja ambony, teo anoloan’ny vavahady vaovao amin’ny tranon’NY TOMPO.
malagasy