Jeremiah 36:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia nidina nankany amin’ny tranon’ny mpanjaka izy ka nankao amin’ny efitranon’ny mpitantsoratra; ary indreo ny mpanapaka rehetra nipetraka teo, dia i Elisama mpitantsoratra; i Delaia, zanak’i Semaia; i Elnatana, zanak’i Akbora; i Gemaria, zanak’i Safana; ary i Zedekia, zanak’i Hanania mbamin’ny mpanapaka rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka dia nidina nankany an-tranon’ny mpanjaka, tao amin’ny efitranon’ny mpanoratra; ka indro fa nipetraka tao avokoa ny lehibe, dia i Elisama mpanoratra, i Dalaiasa zanak’i Semeiàsa, i Elinatana zanak’i Akobôra, i Gamariasa zanak’i Safàna, i Sedekiasa zanak’i Hananiasa, mbamin’ny lehibe rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia nidina tao an-dapan’ny mpanjaka ary tonga amin’ny biraon’ny mpitantsora-panjakana. Nivory tao avokoa ny mpitondra fanjakana ambony: i Elisamà mpitantsora-panjakana, i Delaià zanakalahin’i Semahià, i Elnatàna zanakalahin’i Hakbôra, i Gemarià zanakalahin’i Safàna, i Tsedekià zanakalahin’i Hananià sy ireo mpitondra fanjakana hafa rehetra.
Malagasy Bible 1865
dia nidina nankany amin'ny tranon'ny mpanjaka izy ka nankao amin'ny efi-tranon'ny mpanoratra; ary indreo ny mpanapaka rehetra nipetraka teo, dia Elisama mpanoratra sy Delaia, zanak'i Semaia, sy Elnatana zanak'i Akbora, sy Gemaria, zanak'i Safana, sy Zedekia, zanak'i Hanania, mbamin'ny mpanapaka rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia nidina nankany amin’ny tranon’ny mpanjaka izy ka nankao amin’ny efitranon’ny mpitantsoratra; ary indreo ny mpanapaka rehetra nipetraka teo, dia i Elisama mpitantsoratra; i Delaia, zanak’i Semaia; i Elnatana, zanak’i Akbora; i Gemaria, zanak’i Safana; ary i Zedekia, zanak’i Hanania mbamin’ny mpanapaka rehetra.
malagasy