Jeremiah 36:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nirahin’ny mpanapaka rehetra i Jehody, zanak’i Netania, zanak’i Selemia, zanak’i Kosy, ho any amin’i Baroka mba hiteny hoe: Ento eny an-tananao ny horonan-taratasy, ilay novakinao teo anatrehan’ny vahoaka, ka mankanesa atỳ. Dia noentin’i Baroka, zanak’i Neria, teny an-tanany ny horonan-taratasy, dia nankany aminy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay ireo lehibe rehetra, naniraka an’i Jodì zanak’i Nataniasa zanak’i Selemiasa zanak’i Kosi, ho any amin’i Baròka, hilaza aminy hoe: «Raiso ny horonan-taratasy izay namakianao teny teo an-tsofin’ny vahoaka, ary mankanesa atỳ ianao.» Dia noraisin’i Baròka zanak’i Nerià ilay horonan-taratasy ka nankany amin’izy ireo izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa naniraka an’i Jehodỳ, zanakalahin’i Netanià sy zafikelin’i Selemià sady zafiafin’i Kosy ireo mpitondra fanjakana ireo mba hiantso an’i Baròka ho tonga ao aminy miaraka amin’ny horonan-taratasy eny am-pelatanany. Dia nentin’i Baròka ny horonan-taratasy ary nankany aminy izy.
Malagasy Bible 1865
Dia nirahin'ny mpanapaka rehetra Jehody, zanak'i Netania, zanak'i Selemia, zanak'i Kosy, ho any amin'i Baroka hanao hoe: Ento eny an-tananao ny horonan-taratasy, ilay novakinao teo anatrehan'ny vahoaka, ka mankanesa atỳ. Dia nentin'i Baroka, zanak'i Neria, teny an-tànany ny horonan-taratasy, ka dia nankany aminy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nirahin’ny mpanapaka rehetra i Jehody, zanak’i Netania, zanak’i Selemia, zanak’i Kosy, ho any amin’i Baroka mba hiteny hoe: Ento eny an-tananao ny horonan-taratasy, ilay novakinao teo anatrehan’ny vahoaka, ka mankanesa atỳ. Dia noentin’i Baroka, zanak’i Neria, teny an-tanany ny horonan-taratasy, dia nankany aminy izy.
malagasy