Jeremiah 36:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Makà horonan-taratasy ianao ka soraty amin’izany ny teny rehetra izay nolazaiko taminao ny amin’ny Israely sy ny Joda ary ny firenena rehetra hatramin’ny andro nilazako taminao, dia hatramin’ny andron’i Josia ka mandraka androany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mangalà horonan-taratasy ianao, ka soraty ao avokoa ny teny nolazaiko taminao, mamely an’i Israely sy i Jodà ary ny firenena rehetra, hatramin’ny andro nitenenako taminao, hatramin’ny andron’i Josiasa ka mandraka androany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Makà horonan-taratasy ianao, ka soraty ao ny hafatra rehetra izay nampitondraiko anao ny amin’ny fanjakan’i Israely sy ny fanjakan’i Joda ary ireo firenen-kafa rehetra, hatreo amin’ny andron’i Josià fony Aho vao nanomboka niteny taminao ka mandraka androany.
Malagasy Bible 1865
Makà horonan-taratasy ianao, ka soraty amin'izany ny teny rehetra izay nolazaiko taminao ny amin'ny Isiraely sy ny Joda ary ny firenena rehetra hatramin'ny andro nilazako taminao dia hatramin'ny andron'i Josia ka mandraka androany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Makà horonan-taratasy ianao ka soraty amin’izany ny teny rehetra izay nolazaiko taminao ny amin’ny Israely sy ny Joda ary ny firenena rehetra hatramin’ny andro nilazako taminao, dia hatramin’ny andron’i Josia ka mandraka androany.
malagasy