Jeremiah 36:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niditra tao amin’ny mpanjaka tao amin’ny kianja izy ireo, nefa ny horonan-taratasy efa napetrany tao amin’ny efitranon’i Elisama mpanoratra, ary nambarany teo anatrehan’ny mpanjaka ny teny rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha efa izany, izy ireo namela ilay horonan-taratasy tao amin’ny efitranon’i Elisama mpanoratra, dia niditra tao amin’ny mpanjaka, tao amin’ny kianja, sy nilaza teo an-tsofin’ny mpanjaka io raharaha rehetra io.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia navelan’ireo tao amin’ny biraon’i Elisamà mpitantsora-panjakana ny horonan-taratasy fa lasa izy nankeo an-kianjan’ny lapa mba hitantara amin’ny mpanjaka ny zavatra rehetra niseho.
Malagasy Bible 1865
Dia niditra tao amin'ny mpanjaka tao amin'ny kianja izy ireo (nefa ny horonan-taratasy efa napetrany tao amin'ny efi-tranon'i Elisama mpanoratra), ary nambarany teo anatrehan'ny mpanjaka ny teny rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niditra tao amin’ny mpanjaka tao amin’ny kianja izy ireo, nefa ny horonan-taratasy efa napetrany tao amin’ny efitranon’i Elisama mpanoratra, ary nambarany teo anatrehan’ny mpanjaka ny teny rehetra.
malagasy