Jeremiah 36:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nirahin’ny mpanjaka i Jehody haka ilay horonan-taratasy, dia nalainy tao amin’ny efitranon’i Elisama mpanoratra iny. Dia novakin’i Jehody teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanapaka rehetra izay nitsangana teo anatrehan’ny mpanjaka izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nirahin’ny mpanjaka i Jodì haka ilay horonan-taratasy, dia noraisiny tao amin’ny efitranon’i Elisama, mpanoratra, dia novakiny teo an-tsofin’ny mpanjaka sy teo an-tsofin’ny lehibe rehetra nitsangana teo anatrehan’ny mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia naniraka an’i Jehodỳ ny mpanjaka mba haka ilay horonan-taratasy tao amin’ny biraon’i Elisamà. Koa nalain’i Jehodỳ ny horonan-taratasy ary novakîny mafy teo anatrehan’ny mpanjaka sy ireo mpitondra fanjakana ambony rehetra izay nipetraka teo anilany.
Malagasy Bible 1865
Ary nirahin'ny mpanjaka Jehody haka ilay horonan-taratasy, dia nalainy tao amin'ny efi-tranon'i Elisama mpanoratra iny. Ary dia novakin'i Jehody teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka rehetra izay nitsangana teo anatrehan'ny mpanjaka izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nirahin’ny mpanjaka i Jehody haka ilay horonan-taratasy, dia nalainy tao amin’ny efitranon’i Elisama mpanoratra iny. Dia novakin’i Jehody teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanapaka rehetra izay nitsangana teo anatrehan’ny mpanjaka izany.
malagasy