Jeremiah 36:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nony efa namaky toko telo na efatra i Jehody dia notapatapahin’ny mpanjaka tamin’ny antsin’ny mpitantsoratra ny horonan-taratasy ka natsipitsipiny tao anaty afo teo am-patana, mandra-pahalevon’ny afo azy rehetra tao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vao toko telo na efatra no voavakin’i Jodì, dia notapahin’ny mpanjaka tamin’ny antsipìkan’ny mpanoratra, ilay taratasy, ka natsipiny tao anatin’ny afo tao am-patana, mandra-pahalevon’ny afo tao am-patana ny horonan-taratasy manontolo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa isaky ny mahavaky toko telo na efatra i Jehodỳ, dia notapatapahin’ny mpanjaka tamin’ny antsipîka ireny ka natsipiny tao anaty afo; koa farany dia tapitra may avokoa ny horonan-taratasy manontolo.
Malagasy Bible 1865
Ary nony efa namaky toko telo na efatra Jehody, dia notapatapahin'ny mpanjaka tamin'ny antsipika ny horonan-taratasy ka natsipitsipiny teo anaty afo teo am-patana, mandra-pahalevon'ny afo azy rehetra teo am-patana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nony efa namaky toko telo na efatra i Jehody dia notapatapahin’ny mpanjaka tamin’ny antsin’ny mpitantsoratra ny horonan-taratasy ka natsipitsipiny tao anaty afo teo am-patana, mandra-pahalevon’ny afo azy rehetra tao.
malagasy